angano

tokin'aina ny marina atao

angano | 10 Jiona, 2006 00:34

TOKIN' AINA NY MARlNA ATAO.

Nisy, hono, vehivavy anankiray sy ny zanany izay reradreraka tamin'ny fivelomana, ka nanihika no mba nataony filana. Nefa na dia nahantra fadiranovana aza izy, dia nofadiny mihitsy ny halatra.

Indray andro dia sendra nanihika tany an-keniheny izy mianaka ka tratra hariva tany. Dia nitomany te hody ny zanany ka nanao hoe : " Matahotra aho, ry ineny, fa alina ity ny andro, sady mangingina loatra isika mianaka aty an-keniheny ! " Fa nanome toky azy reniny ka nanao hoe : " Aza matahotra foana, ry sombinaiko, fa ny olo-marina tsy mba matimaty foana tsy akory."

Kanjo tamin' izay sendra tamy kosa ireto olon-dratsy roa lahy : ny iray mpamono olona, ny iray mpamosavy. Nivadi-po tery ilay zazavavy nony nahita azy ka nanao hoe : " 'Ndeha handositra, ry ineny fandrao dia vonoin' ireo eto isika mianaka ! " Nefa tsy nanaiky reniny, fa namaly hoe : " Aza matahotra anaka, fa ny marina tsy mba matimaty foana tsy akory."

Rehefa tonga teo amin' ireo jiolahy, dia tsy sahy namono azy mianaka tsy akory, satria vehivavy izy sady tsy nihaingo loatra, fa izao no resadresaka nataony : "'Ndeha hoentintsika hamidy ireto, ka hozaraintsika ny vola vidiny." Dia nentiny tany anaty ala izy mianaka, fa nisy lava-bato fieren' ny jiolahy tany.

Nony tonga tany izy, dia lasa ilay jiolahy nitady olona hividy azy mianaka, fa ilay mpamosavy kosa nijanona nahandro vary. Ary izao no hevi-dratsin'izy roa lahy ireo : Nanasa antsy ilay jiolahy hamonoany ilay mpamosavy mba hahazoany ny babo ho azy irery, rehefa maty io. Ilay mpamosavy kosa dia mba nihevitra izay tokony hahazoan' ireo babo ho azy samy irery, ka dia nasiany vorika ny varin' ilay jiolahy.

Samy tanteraka tokoa ny hevi-dratsin'izy roa lahy, fa norasain'ilay jiolahy tamin' ny antsy ilay mpamosavy ka maty. Ary nony avy hatreo kosa, dia nahatsiaro noana izy ka hihinana ny vary, dia maty nitsitra teo koa. Nony nahita izany reniny, dia niteny tamin' ny zanany vavy hoe : "Hitanao ary anaka, fa tanteraka tokoa ilay nolazaiko taminao hoe : Ny olo-marina tsy mba matimaty foana tsy akory." Dia lasan' izy mianaka avokoa ny fananana izay nangalarin' izy roa lahy, ka tonga mpanjatobe tampoka foana teo izy mianaka.

ireny kamboty ireny

angano | 10 Jiona, 2006 00:34

 

 

Nanomboka teo hono dia irery i kamboty,teo anilan’ireny bibidia miselontselona.Rehefa ela anefa ny ela dia indro lavabato iray .tsy nisalasala hono I kamboty fa nitsofoka avy hatrany tanaty ilay lavabato ka inona hoy ianareo fa indro sakafo sy entana maro,nofonkena,sobika feno vary,nafenina tao fa maro moa ny dahalo miserantserana ny tanana ka nahazatra ny mponina ny manafina izay sakafo sy entana maro tanaty lavabato .
Faly aok’izany hono i kamboty ka nidera sy nankasitra an-janahary nanavotra azy tamin’ity fahafatesana efa niandry azy.fa efa ela niainana tanaty ala sy teo anilan’ireto bibidia moa i kamboty ka mahalala tsara ny fomba handresena azy ireo,ka indro izy tazana eny anaty saha milalao irery sy manao fandrika hamandriham-borona.
Andro aman’alina anefa dia mitombo ny fankahalany ireto mponina nanary azy irery ka nanozona indrindra ho azy ireo mba ho azon-doza ,ny tondra-drano,ny valala sy ny sisa araka ireo notantaran’ny razambeny.
Taona vitsivitsy taty aoriana anefa hono dia tanteraka ny ozon’i kamboty ka volana maro no tsy latsaka ny orana,maty avokoa ny voly rehetra ary na omby sy ny odnry aman’osy aza dia maty avokoa noho tsy fisian’ny ahitra.Nananontanona aza ny fahafatesana ho an’ity tanana kely fa mosaserana na kely na lehibe.
Ny mifanohatra amin’ny nanjo ny tananan’ambalavelona kosa anefa hono no nitranga tamin’ireto tanana mifanakaiky aminy fa nitombo aok’izany ny vokatra ka vao mainka nitombo ny alahelo sy ny fahakiviana ho an’ny mponina ambalavelona.Fa zary tonga tanana voaozona sy tanana maty ilay tanana kely tsara tarehy fehizay ary ny mponina dia nivelona tamin’ny hataka sy halatra aimin’ireto tanana manodidina azy.
Fa na ny mpiompy aza hono dia voatery nitety tanana maro mba hitady ahitra ho an’ny ondry aman’osy.ka indro tovolahy iray manatona ilay lavabato fiafenan’i kamboty.ka rehefa ela niambenana ireto ondry dia indro ondrilahy kely iray niriotra nanatona ilay lavabato.Navelany teo aza ireto ondry hafa fa ondrin’ny mpanana moa mety hahatapa-doha raha havela irery ka niriotra izy nanenjika ity ondrilahy.
Nony tena akaikin’ilay lavabato aza dia injao feo manakoako any ho any :
  Ry mponina an’ambalavelona,voaozona anie ireo izay namela ahy irery.Ho tonga aminareo ny tondran-drano ,ho potika anie ny voly eo aminareo,ho faty ny aza amam-behivavy fa narianareo ny kamboty,nataonareo tsinontsinona izay nitady fanampiana.
  Fa mpiara milalao anefa hono ity zatovolahy sy I kamboty fony izy tao an-tanana ka fantany avy hatrany ity feo.Nony nody tao an-tanana anefa hono Ity zatovolahy dia nitantara ny zava-nisy rehetra tao an-tanana.
Dia nifona tamin’I kamboty hono ny tanana ka nanomboka teo dia noraisina ho tahaka ny zanaky ny sefo ny kamboty ka nifandimby nanome sakafo azy ny olona tao an-tanana.
Volana vitsivitsy taty aoriana hono dia latsaka indray ny orana tao an-tanana ka naniry ny voly ka velona ity ity tanana kely

 

 

resim-pahoriana ka namitaka

angano | 10 Jiona, 2006 00:34

 

1 Niainga, hono, ity zanak'olona mpanankarena sy ity zanak'olo-malahelo mba hamandri-borona, ka nahazo vorona roa ilay zanak'olo-malahelo ; fa ilay zanaky ny mpanankarena kosa tsy mba nahazo. Dia niteny tamin' ilay zanak'olo-malahelo izy hoe : " Aiza hovidiko ireto vorona azon' ialahy."

Dia nifampiady varotra teo izy roa lahy, ka raikitra, ary omby roa no takalony. Tama-nahazo ilay zanak'olo-malahelo, ka lasa indray namandrika tany an-tsaha ; nefa tsy nahazo, fa nody maina.

Nony tonga tany an tanàna izy, dia indreo ny fatin'ireo ombiny takalom-borona niampatra teo am-pahitra ny anankiray, ary ny anankiray nitsitra teo am-bavahady ; ka gaga sady nalahelo izy.

Dia naniraka ny ray aman-dreniny izy ka nanao hoe : " Endaho ny ngozy, ary manaova ampempa maromaro, sady anefeo antsy aho, ary akao sodina koa, ka rehefa azo avokoa ireo, dia zairo ao anatin' ny ngozy aho sy ireo zavatra ireo, ka ataovy mitovy endrika amin' ny omby. Rehefa izany, dia ento manatona ny tranon' ny mpanankarena ny sarin' omby ; ary raha tonga any, dia amin' ny zoro firarazana atsangana, ka arinareo tsara. Rehefa izany, dia asaovy jeren' ny tompon-trano sady dokadokafy ka ataovy hoe : Manenoa hoe, ry ombilahy tsara feo !"

Dia nentin-drainy aman-dreniny ilay sarin'omby, araka izany teniny izany, ka nony tonga tao an-trano dia nodokadokafana hoe : "E, soa lahy, meja lahy, mendrika lahy, bikàna lahy, anjanajanana lahy, mateza dinihina lahy, soa bangobangoina lahy, indrisy lahy. Manenoa hoe, ry ombilahy tsara feo ! " Dia notsofin' ilaiaka tao anaty ngozy ny sodina, ka nivarakahaka ary nitolagaga foana teo ilay mpanankarena raha nandre izany. Dia niady varotra hividy izy, ka raikitra ariary zato sy omby zato no vidiny. Dia lasa nody izy mivady nitondra ny vola sy ny omby.

Nony harivariva ny andro, dia mba niantso kosa ilay mpanankarena ka nanao hoe : " Manenoa hoe, ry ombilahy tsara feo ! " Dia notsofiny tahaka ny teo indray ny sodina, ka aoka izany ny hafalian' ilay mpanankarena. Kanjo nony alina ny andro, rehefa natory avokoa ny tao an-trano, dia notatahany ny antsy ny ngozy, ka nandositra nody tany amin-drainy aman-dreniny izy. Rehefa maraina ny andro, dia nasain'lay mpanankarena naneno indray izy, nefa inona intsony no haneno eo, fa efa lasa nandositra ilaimontana ! Dia gaga ilay mpanankarena, sady nalahelo ny fananany be very maina. Nony tafahoana tamin-drainy aman-dreniny ilay fetsy ratsy dia niteny hoe : " Eny iky, ry ikaky sy ineny ! mafy tokoa lahy ny fahoriana, fa mampanenoneno foana eny an-joron-tranon' olona mba hamitaka I " Izany, hono, no nisehoan' ilay teny hoe : " Mirediredy foana hoatra ny andriandahy lany harena."

ny volana sy ny masoandro

angano | 09 Jiona, 2006 19:42

 

Ingahy masoandro sy ramatoa ravolana hono dia mpivady fehizay.Nananjanaka izy ireo ka ny lahimatoa dia
ny kintana fa ny ankoholahy kosa no manaraka.Tsy mifanaratsaina anefa hono izy mirahalahy ireo fa I kintana dia
tia an-dreniny kokoa raha toa ka iakoholahy kosa dia tia an-drainy.Indray andro anefa hono tsy afaka nanaraka
an-drainy nitety ny tany akoholahy ka izy mirahalahy no hany nijanona tao an-trano.
Raikitra anefa hono ny fifamaliana teo amin'izy ireo ka indro tonga ravolana reniny sy ingahy ramasoandro
nanasaraka.Ka hoy rainy:
   Manomboka anio ianareo roalahy dia tsy ho tafahoana intsony.
ka ianao rakoholahy dia hilaza ny fahatongavako amin'ny olona any an-tany ny maraina,fa i kintana rahalahinao kosa hanambara ny fahatongavan'i volana reninareo ny takariva.
 Ka nanomboka teo dia tsy tafahoana intsony izy ireo .Ary vokatr'izany ihany koa hono no niteraka nyfisarahan'izy mivady
  Angano angano arira arira

Isanga

angano | 09 Jiona, 2006 10:50

 

fahiny elabe hono tovolahy iray natsoina hoe Isanga,tovolahy mahantra ,tovolahy tsizarizary fiainana nefa kosa feno fahendrena.
    Tahaka ny fanao mahazatra hono ,ny Mpanjaka fahiny,isan-taona, dia mamory ny vahoaka teo amin'ny fiandrihanany ka manao fety lehibe mba hamalifaliana ny vahoaka.
  Isanga koa mba anisan'ny nohasaina tao Ary rehefa samy revorevo eo avokoa moa lehilahy rehetra dia mba samy mirehaka milaza izay ananany avy.Isanga moa dia mahantra ka tsy manana zavatra hireharehana ka hoy izy nirehaka mafy mba ho henon'ny rehetra:
       -Izaho dia tovolahy lehilahy mahantra ,tsy manan-javatra hireharehana manoloana anareo fa misy zavatra tokana kosa ananako ka tsy ananareo.Araka ny fantatrareo dia Isanga ny anarako ,ary tsy miafina amin'ny rehetra angamaba nya ntony niantsoana ahy hoe Isanga:dia tsy inona moa izany fa noho ireo sangako efatra.Ka izao no hireharehako.Ireo sangako efatra ireo dia manana anarana avokoa nefa ianareo na hanao inona aza tsy hahalala izany anarana izany.
          Dia nitohy ary ny lanonana ka teo ny nirehaka ho manana tanimbary be indrindra,teo ny nanana omby be indrindra .
       Ka inona ary hoy ianareo fa tsy tonga tany ampototsofin'ny mpanjaka ary ny rehaka nataon'Isanga .Tezitra noho izany ary ny Mpanjaka ka nampiantso azy.
   Dia nanontany ary ny mpanjaka ka hoy izy:
       -ry isanga ,moa va marina fa nanao rehaka ianao.
      -eny hoy isanga
       -ka moa va ianao sahy nilaza va na dia ny mpanjaka aza tsy hahalala ny anaran'ireo sanganao ireo
       -eny ry mpanjaka,
         - ka inona aza,hoy ilay mpanjaka,ny ataoko aminao raha toa ka fantatrao ny anaran'ireo sanganao ireo?
       - hatolotro ho tapahina ny lohako ry mpanjaka.


Nikaroka hevitra ary ity mpanjaka mba hahazoana ny anaran'ireo sanga ka noho izany dia ny vadiny no nampiasainy hahazoana ireo anarana.
    Efa ela ary ny ela dia nisakaiza ny vadin'Isanga sy ny vadin'ny mpanjaka ka mitondra fanomezana ho an'ny ankohonan'Isanga matetika ity sakaiza ratsy.Ary farany aza moa dia nangatahany ny tsiambaratelo mikasika iretsy Sanga.Rehefa ela ny ela nitarainan'ny vadin'ny mpanjaka tamin'ity sakaizany dia azony izay nilainy.
 
Nitsingerina aza ny taona ka tonga indray ny fety ka mbola namerina ilay rehaka hafahafa Isanga ,ka tonga aza ny mpanjaka ka nampitandrina indray an'Isanga ka hoy ihany Isanga tsy taitra .Lazao raha fantatrao ry mpanjaka fa vonona aho hizaka izay tianao atao.
     Ka dia nolazainy teo avokoa aza ny anaran'ireo sanga.
Tsy taitra anefa isanga namaly avy hatrany ity mpanjaka nanao hoe ry mpanjaka ,vonona aho!
     Dia nanasa ny famaky aza ny mpanapa-doha.Iny izy hanainga ny antsy hanapaka ny lohan'isanga iny indrindra anefa no indro lehilahy antitra iray nanatona sady niangavy ny mpanjaka nanao hoe:
                      -tsarantitra ianao ry mpanjaka,mba mangata-pitenenana eo anoloana ry mpanjaka hajaina.
            -mahazo miteny ianao.
              - Araka ny hitako eto ry mpanjaka dia mikasa hanapa-doaha ianao kanefa araka ny lalana misy eto amin'ny fanjakana hatrizay ary lalana noforoninao rahateo dia tsy hisy olona hotapahin-doha eto amin'ny fanjakanao raha tsy nahazo fitenenana farany .
Dia tapa-kevitra aza ity mpanjaka fa hanome fitenenana an'isanga sy niangavy azy mba hanazava ny dikan'ireo sanga efatra.
    Ka hoy ity farany:
             Trarantitra ianao ry mpanjaka,araka ny fantatrao dia olona mahantra aho ary na dia teo aza izany fahantrako izay dia tsy mba nanao ratsy na nahavita loza teo amin'ny fiarahamonina aho,ka noho izany indrindra no nanomezako ny anaran'ilay sanga voaloha teo an-tapondoha hoe haitraitran'andriana.
    Haitraitran'ny andriana satria haitraitranao mpanjaka andrian-dehibe no hamonoana ahy ankehitriny.Tsy nanao ratsy aho,tsy nangalatra ,fa noho ny ambompon'ny mpanjaka kosa dia hatolotro ny lohako hotapahina.
    Sanga faharoa:andefimandry mahafaka aina:
na inona na inona no nataonao ry mpanjaka,dia tsy hahalala ny anaran'ireo sanga velively ianao raha tsy nampiasa ny andefimandriko.noho izany ny andefimandriko(ny vadiko) no hahafaka ny aiko anio.Noho izany ry mpanjaka na inona na inona ataonao aza matoky andefimandry na hoviana na hoviana.
    Sanga fahatelo:ranomasombinanto:
Araka ny hitanao eto ry mpanjaka dia ity lamba fotsy tafiako ity dia hihosin-dra raha hotapahinao ny lohako ka noho izany dia ho latsa-dranomaso ny vinantoko handre izany :tsy noho ny aiko latsaka anefa fa noho ity lamba feno ra.Ka aoka hitandrina ity mpanjaka ka hahalala izay itokisana eo amin'ny fanjakany.
    Sanga fahefatra farany:fefin'olon-kendry:
Araka ny hitanao eto ry mpanjaka dia raha ity olon-kendry ity dia tsy afaka nanazava ny dikan'ireo sangako aho ka noho izany dia miangavy aho ry mpanjaka mba hanana olon-kendry ianao mba hanoro hevitra anao amin'ny andro sarotra.

Naheno ny fanazavana nataon'isanga aza ny mpanjaka ka latsa-dranomaso satria saika nanala ny ain'ny ity olon-kendry indrindra teo amin'ny fanjakany ka nanomboka teo hono dia tonga piraiminisitra isanga fa ity vadin'isanga kosa no notapahin-doha satria nivadika tamin'ny fanekena.
                              tsy tapitra hatreo anefa ny angano mikasika an'isanga fa mbola misy tohiny lava dia lava.



Dia nitohy hono ny lanonana,ka taona vitsivitsy taty aoriana dia indro fa vory indray ny vahoaka.

trimobe sy fara

angano | 09 Jiona, 2006 10:50

 

trimobe et Rafara:


Une petite fille, abandonnée dans les bois par ses deux méchantes sœurs, rencontre le monstre Trimobe, qui lui dit : " Tu seras ma fille Rafara." Il l’emmène chez lui, l’enferme dans son antre et la gave de nourriture. " Son projet est de la déguster lorsqu’elle sera bien grasse et bien dodue"... Les jours passent. Une nuit, une petite souris, affamée, demande de la nourriture à Rafara qui n’écoutant que son bon cœur, accède à son désir. La souris lui offre alors un bâton, une pierre et un œuf en lui recommandant de s’enfuir au plus vite.Le monstre se lance à la poursuite de la petite fille et la retrouve très vite. Rafara jette le bâton qui se transforme en lac. Mais Trimobe en quelques gorgées en avale le contenu. La fillette jette alors la pierre qui se transforme en forêt. Trimobe, grâce à sa queue puissante et tranchante, abat tous les arbres. Rafara jette ensuite l’œuf en disant " Cher œuf, cadeau de la souris, transforme-toi en montagne !" . Elle se retrouve au sommet de la montagne. L’oiseau Vovondréo, qui passait par là, accepte de la ramener chez elle en échange de pierres de toutes les couleurs. Son père l’accueille avec joie. Les deux sœurs ne seront pas punies grâce à la bonté de Rafara qui intercède pour elles auprès de son père. "Rafara devient si jolie que le fils du roi la demande en mariage."

Izy mivady

angano | 09 Jiona, 2006 10:50

 

Nisy hono mpivady iray nahantra aok’izany ka mba hahazoam-bola kely nenty niady tamin’ny fiainana dia mikapa azo any an’ala rangahy fa ramatoa kosa nikarakara tokantrano.
        Indray andro anefa hono,dia tahaka ny fanaony mahazatra dia nankany an’ala rangahy ka nikapa hazo tanaty ala-kitroka .Vao hikapa ilay azo anefa hono rangahy dia niteny ilay hazobe ka nitaraina tamin-drangahy mba tsy hokapaina.Gaga hono rangahy ka lasa nandositra lavitra ka efa lasa lavitra tokoa vao tonga saina ka niverin-dalana.Dia nanandrana hikapa ihany anefa hono rangahy ka niteny tahaka ny teo ihany ilay hazo.Dia nitsahatra tsy nikapa intsony hono rangahy fa niheno ity hazo sady nanontany hoe:
          Fa iza moa ianao no toa hazo mahay miteny ,ary nahoana ianao no tsy hokapaiko fa mahantra aho ka tsy maintsy mikarako izay hivelomanay mivady.
           Dia namaly ary ilay hazo ka nanao hoe:

            - Izao no mpanjakan’ny ala,ary raha manaiky tsy hikapa ny ala intsony iana dia homeko fanomezana mahagaga.
            Dia gaga sy talanjona hono rangahy ka nianiana fa raha manome fanomezana azy mba tsy         hikapany ala intsony ilay hazo mahagaga dia hitsahatra tsy hikapa ala intsony izy.
              Dia hoy hono ilay hazobe namaly:
              -Moa va hitanao itsy sahafa itsy ,fa nisy sahafa teo anilan’ilay hazo mahagaga.Raiso io ary ento fa hanome anao izay angahatahanao izy.

Dia lasa nody hono rangahy nitondra ity sahafa mahagaga .Teny andalana anefa ,dia reraka ny asa rangahy sady noana aok’izany ka nalainy ity sahafa ka sady nahodiny no noteneniny hoe:
      Ry ilay sahafa,ry ilay sahafa omeo sakafo aho fa noana aok’izany.
Dia nihodiana mafy tokoa ary ity sahafa fa inona hoy ianareo fa indreny sakafo tsara sy mafana no teo ambonin’ilay sahafa.
  Dia nihinana rangahy ka rehefa voky dia nody ampifaliana aok’izany.Rehefa tonga tao an-trano ary rangahy dia nanome ilay sahafa an-dramatoa vadiny sady nitantara ny zava-nitranga.Dia nisakafo ihany koa hono ramatoa vadiny.

     Indray andro anefa hono ramatoa vadiny dia niangavy tamin-drangahy sady niteny hoe:!
           -hono hoy aho rangahy,jereonao ity sahafa fa sahafa mahagaga ,manome sakafo ampy antsika mivady kanefa toa ratsy tarehy ity izy.Raha vao maraina aho rangahy dia hanatona mpandrafitra mba hanalama ity sahafa ity.
      dia lasa tokoa hono ramatoa ka nantona ny mpandrafitra ka rehefa nifanaraka teo anefa hono izy ireo dia lasa ramatoa sady nandrara fatratra azy tsy hanodina ity sahafa.Kanefa inona hoy ianareo fa tsy vao lasa ramatoa dia nahodiny ity sahafa fa hoy izy mantsy.
     -nahoana ramatoa iny no nandrara ahy tsy hanodina ny sahafa?!
   rehefa nihodina anefa ny sahafa nanome sakafo betsaka ka gaga izy.

   Rehafa tonga ary i ramatoa haka ity sahafa ,dia sahafa hafa nolamainy hono no nomeny azy fa tsy ilay sahafa mahagaga.Ka rehefa tonga tany an-trano ramatoa ka nanodina ity sahafa dia tsy nisy na inona na inona nitranga ka gaga sy talanjona .
   Rehefa tongta koa hono rangahy dia nolazainy azy ny zava-nitranga ka hoy rangahy.
    Tsy tian’ilay sahafa ny alamaina ramatoa !(kanefa hono rangahy nahalala tsara fa nofitahin’ny mpandrafitra ramatoa vadiny)

Ny ampitso vao maraina hono rangahy dia nankany an’ala ka nanatona ilay hazo sady niteny hoe:
     Tsy mamoaka sakafo intsony ilay sahafa ry hazo mahagaga ka inona no tokony hatao fa noana tsy misy hoatr’izany izahay mivady.
        Dia nomeny ondrilahy hono rangahy ka nolazainy fa ondry mahagaga ity ondrilahy satria
rehefa ampandihizina dia mamoaka vola.

     Teny an-dalana ihany ary rangahy dia nanandrana nampandihy ity ondro ka hoy izy:
         -Ry ondrilahy,ry ondrilahy mandihiza.
        dia nandihy ary ity ondrilahy ka rehefa mahazo vola betsaka teo rangahy dia nody ka nividy skafo betsaka ho azy mivady.

        Rehefa ela anefa ny ela dia nalahelo mafy hono ramatoa ka nilaza hoe:
             -Endrey ondrilahy mahagaga toy ity moa rangaha ka irery.Andeha isika hitady ondrivavy ho sakaizany.Dia nankany amin’ny mpanakarena hono ramatoa nitondra ity ondry kanefa tsy nety nampindrana ondrivavy hono ilay mpanakarena fa nanaiky kosa raha apetraka any aminy ilay ondrilahy ka dia nanaily hono ramatoa .Ka rehefa nifanaraka hono izy ireo dia lasa ramatoa rehefa avy nandrara fatratra an’ilay rangahy mpanakarena mba tsy hampandihy ilay ondrilahy.

       Nihomehy fatratra hono ilay mpanakarena ka hoy izy:adala lahy ramatoa iny ondy va ka handihy?????!
           Kanefa nanandrana ihany hono izy ka rehefa nandihy teo ilay ondry dia nahazo vola betsaka.Ka rehefa tonga hono ilay ramatoa haka ny ondy dia ondry hafa nitovy loko tamin’ilay ondry mahagaga no nomeny.

             rehefa nody ary ramatoa ,ary rehefa nahatsapa fa tsy namoaka vola intsony ity ondry dia lasa nilazalaza ny zava-nitranga tamin-drangahy vadiny.
   Dia lasa vao maraina ihany tahaka ny teo hono rangahy nanazava ny zava-nisy tamin’ilay hazo mahagaga.
         tahaka ny teo ihany koa hono dia nomeny kibay iray rangahy sady nolazainy fa mahagaga ilay kibay.
     
    tahaka ny fanaony teo aloha ihany koa hono rangahy dia nampandihy ilay kibay .Dia nitsangana hono ilay kibay ka nandihy ka nivelively ilay rangahy ka nalemilemy tsy afa-nihetsika intsony vao navelany.
           Dia lasa nody hono rangahy ka nanome ity kibay ny vadiny.Naka ny kibay ihany koa hono ramatoa vadiny rehefa nitsofoka tao an-trano anefa hono ramatoa dia nidin-drangahy ny trano ka inona moa fa tsy nalemilemy teo koa ramatoa vadiny vao navelan’ilay kibay.

   rehefa tonga saina hono ramatoa vadiny dia nalain-drangahy ilay kibay ka nentiny ilay kibay mba halamaina tany amin’ilay mpandrafitra .Rehefa nifanaraka teo hono rangahy sy ilay mpandrafitra dia lasa rangahy sady nandrara fatratratra ilay mpandrafitra tsy hampandihy ilay kibay.Zatra ny teo anefa hono ity faranay ka nampandihy ilay kibay ka rehefa voavelively teo ny vatany manontolo va nijanona tsy nively intsony ilay kibay mahagaga.
          rehefa tonga ary hono rangahy haka ilay kibay dia nifona taminy ilay mpandrafitra sady nanome azy ilay sahafa mahagaga sy ilay kibay.
               
           Dia toy izany ihany koa hono tany amin’ilay mpanakarena fa rehefa nofitahin-drangahy teo ilay mpanakarena ka nampiasa ilay kibay dia nifona fatratra ka nanome ilay ondry mahagaga.
 
          dia nanomboka teo hono dia tsy tonga mpanakarena fatratra izy mivady

                                     Angano,angano ,arira arira.

Ifaralahy

angano | 09 Jiona, 2006 10:50

 

fahiny elabe hono dia nisy fanjakana kely nanana mpanjaka hendry aok’izany ka niadam-pinaritra ery ny vahoaka nentiny.Kanefa hono na dia faly sy finaritra aza ny vahoaka,dia teo ihany ny indro kely teo anivon’ny fanjakana satria na dia naniry anaka aza ny mpanjaka mivady dia nahazo izay niriny.
     Nandramany avokoa ary ny ody rehetra,fa fehizay moa dia ny ody no nanjaka.Indrisy anefa fa ireny rehetra ireny dia tsy nisy nandaitra avokoa.
        
     Tapa-kevitra ary ireto mpivady fa hangata-tsodrano amin-janahary .teny an-dalana anefa hono izy ireo dia nifanehatra tamin’ny lahy antitra iray izay nanoro hevitra azy ireo hiampita ny nosikely iray.Mafy moa izany te hanan’anaka ka tsy nisalasala izy ireo nanaraka ity torohevitra ka dia niandakana izy ireo.Indrisy anefa fa misy mamba ity renirano niampitana ka indreny andiana mamba niriotra nanenjika ity lakana kely .Nivadika ary ity lakana ,faly ary ny mamba fa hihinana azy mivady kinanjo indreny kosa andiam-bibilava nisosa mora toa zahatra niantsampy tamin’ireto mamba ka vaky nandositra izay tsy maty teo no ho eo.Dia tahaka izany hono no nahatafitan’izy ireo ilay nosy kely rehefa nampian’ireto bibilava hiampita ny rano.

   Dia nandeha hono ny andro ka nisosa teny ny volana .Niherina aza ny taona ka inona hoy ianareo fa nitoe-jaza ny vadin’ny mpanjaka.Hafaliana moa ny an’ny vahoaka fa hanana mpandimby ity mpanjaka hendry.Hfaliana tsy roa aman-tany ny azy mivady fa nairy anaka ka nahazo kamban-telo.rehefa teraka aza ramatoa ,ka nitombo ny zaza.Dia endrey izany hafalian’ny rehetra ,indrindra ny tovovavy mitazana ny hatsaran-tarehin’izy mirahalahy .Tsara ilaimatoa ,fa ilaivo no tsara indrindra hoy ny hiakan’izy ireo.
     
    Fa Ifaralahy kosa hon tsy nisy mpitia satria ratsy tarehy aok’izany sady vohoka no fohy ka rehefa tonga hono ny vahiny mpitsidika ,dia nafenina aok’izany ifaralahy sao mahatsiravina ny vahiny ka indro ifaralahy mitomany ireny mifono anaty tsihy eo anjoro rindrina.

   Indray andro anefa ifaralahy rehefa avy naka kitay tany anaty ,fa tonga boton’izy mirahalahy mantsy ifaralahy,dia reraka sy torovana aok’izany ka nianjera .Vaky ary ity trafo ka nanaintaina azy aok’izany.Hafaliana moa ny azy mirahalahy,fa alahelo kosa ny an’ny mpanjaka mivady fa na dia ratsy tarehy aza ifaralahy ,zanaka nateraka ka maharary.Fa ny alikan’ifaralahy kosa hono no nitsetra azy indrindra ka endrey ny fipenipeniny milelaka ny ratran’ifaralahy.
        
   Rehefa naharitra ela ary ity ratra dia koy ifaralahy nihiaka mafy:
              -Ry alikako      rorito ny tongotro;dia nandroritra ny tongony ity alika ka endrey fa tonga lava aok’izany ity tongony
        Dia hoy koa izy:Ry alikako rorito ny tanako,dia lasa lava koa io.
   Ka dia nataony toy izany avokoa ny vatany manontolo ka tonga goavana sy mahatahotra ifaralahy.Natahotra avokoa ary ny vahoaka fandrao hono ifaralahy hamaly faty ka hamono ny vahoaka manontolo.Tsy nanao izany anefa ifaralhy fa nanampy ny vahoaka aok’izany ka tonga mamin’ny vahoaka.Fa izy mirahalahy kosa no nokekerin’ilay alika ka tonga romotra sy lasa ratsy terhy aok’izany.

        Goavana loatra anefa hono ifaralahy ka tsy nisy trano omby azy tao an-tanana.Ka teny anelankelan-trano izy no nandry.Rehefa ela hono ny ela ka niharitra ny orana sy hatsiaka teo ifaralahy dia nihena ka tonga tsara tarehy .Izy no nadimby nanjaka rehefa maty ilay mpanjaka rainy.Ka niadam-pinaritra ny vahoaka.
      
             Ka izany hono no mahatonga ny Ntaolo tsy hanaratsy ireny olona sampona ireny

ikotofetsy sy imahaka

angano | 09 Jiona, 2006 10:43

 

Nianga hono ity Kotofetsy ,andeha hoan ny an-tsena.Ka nitondra vorona izy. Nataony tanaty harona ilay izy,ka nofonosina tsara.

Avy any Atsimo,Imahaka nitondra angady,handeha hihazo ny tsena koa. nofonosiny lam
ba tsara izato angady vaovao.

nifanena tao an-dohasa izy roalahy.Ka nifanantsafa.hoy Imahaka hoe : mba inona leroa no entin ialahy ao anaty harona iny.Akoho matavy ho entiko hamidy ito hoy Ikotofetsy.Ary ito mba entin ingahy,angady vao notefeko teo io eh.

Rehefa ela ny ela dia raikitra ny takalo.Nofeperan Imahaka mafy anefa ikotofetsy mba hiandry indray andro izay vao sokafana ilay angady ndrao dia simba..... torak izany koa ,nolazan Ikotofetsy imahaka mba tsy hanokatra ilay harona fandrao mirifatra ilay akoho.

nony tonga tany an-tranony avy izay mirahalahy, dia nanokatra ny harona Imahaka: tonga dia lasa nanididna ily goaika.Vao nandraman 'ikotofetsy ilay angady dia pepo ka vaky niparitaka! teo vao samy tonga saina izy roalahy.

taty aoriana rehefa nifanena izay mirahalahy ,dia samy loa_bava à hefetsen ny andaniny avy ka dia raikitra ary fa hiaradia sy hifati-dra izay mirahalahy!
 


Angano angano arira arira

angano | 09 Jiona, 2006 10:43

ny angano teo amin’ny ntaolo dia fitaovana iray nentina nitaizana ny ankizy mba tsy hihoatra ny fehy nifampifehezana teo amin’ny fiarahamonina fahiny.Noho izany ,fahiny elabe,tamin’izany fotoana izany tsy mbola nisy ny sekoly sy ny toeram-pianarana dia anjaran’ny ray aman-dreny tsirairay avy no mitaiza ireo zanany .
                       Tamin’izany ,ny takariva eo amorom-patana rehefa vita iny ny sakafo hariva dia mivory ny mpianakavy mihaino ny angano tantarain’i nenibe sy dadabe.Endrey toa finaritra ery ny ankizy mihaino sy mankafy ny angano.Ireny angano ireny dia maneho ny fahendrena lalina nananan’ny Ntaolo malagasy ;fahendrena izay tsapa tokoa fa very ankehitriny.

 

 

 

Tonga soa angano!

angano | 09 Jiona, 2006 10:37

Angano angano,arira arira.Andeha mba hotsiahivina eto ireo anganon'ny ntaolo notantairain'i dadabe sy nenibe fahiny.

   

 
Powered by LifeType - Design by BalearWeb